top of page
Rechercher
Lojika Consulting

IRSA Madagascar


Calcul IRSA madagascar

Matetika isika rehefa manao entretien d'embauche na test amin'ny poste comptable na Ressources Humaines, dia anotaniana hoe ahoana ny fomba fikajiana IRSA. Maro anefa isika no tsy mahafehy izany. Raha fintinina tsotsotra dia toy izao ny fikajiana azy : Alainao ny salaire de base, ampianao ny compléments rehetra (indemnités, Primes,...), analanao ny Retenus (Cnaps, Ostie,...) Raha mitovy na latsaky ny 250.000 Ar io de IRSA = 2000 Ar Raha mihoatra kosa dia andoavanao IRSA 20% io mihoatra io. Ohatra 1 : SB...............250.000 Ar Retenus...........-50.000 Ar Total............200.000 Ar IRSA..............-2.000 Ar (satria tsy nahatratra 250.000 Ar) Ny vola miditra aminao izany 198.000 Ar Ohatra 2 : SB...............300.000 Ar Compléments.....+100.000 Ar Retenus..........-50.000 Ar Total............350.000 Ar IRSA.............-20.000 Ar ((350.000 Ar-250.000 Ar)x 20%) Ny vola miditra aminao izany 330.000 Ar Misy ny fanenana impôt 2000 Ar isaky ny zanaka, raha manan-janaka latsaky ny 21 taona ny olona iray na manana zanaka latsaky ny 25 taona, ka mbola manohy ny fianarany ity farany. Ohatra 3 : Manan-janaka 2 latsaky ny 21 taona ny olona iray. SB..............300.000 Ar Compléments....+100.000 Ar Retenus.........-50.000 Ar Total...........350.000 Ar IRSA............-20.000 Ar ((350.000 Ar-250.000 Ar)x 20%) Réduction pour personne à charge +4.000 Ar Ny vola miditra aminao izany 334.000 Ar Sources : CGI 2018 Madagscar, Guide fiscale 2016 Lojika Consulting, "Aza miasa mafy, miasà amin'ny saina mahiratra"


49 vues0 commentaire

Posts récents

Voir tout
Post: Blog2_Post
bottom of page