top of page
Rechercher
Lojika Consulting

IR à Madagascar


Impôt sur le revenu Madagascar

Anisan'ny manahirana ny comptable sy ny orinasa ny fikajiana ny IR. Indraindray iantsoana "spécialiste" mihitsy aza, nohon'ny tsy fahazoana ny fototra isian'ny IR sy ny fikajiana azy. Indro atoro anao amin'ny fomba tsotra izany. Ny IR na Impôt sur le Revenu dia vola alohan'ny orinasa na olona iray any amin'ny fanjakana, amin'ny vola "niditra" taminy, na inona na inona sokajiny , nandritry ny taona iray. Mandoa izany izy raha toa ka mihoatra na mitovy amin'ny 100.000.000 Ar izany vola niditra taminy izany, sy tsy nandoa IRSA izy. Izany vola niditra taminy izany dia andoavany 20% any amin'ny fanjakana. (IR = revenu x 20%), rehefa mametraka Etat financiers alohan'ny 15 mai N+1. Misy kosa anefa "faveur" omen'ny fanjakana mba hampienana izany amin'ny alalan'ny vola nivoaka tamin'ny orinasa. (Lasa IR = (Revenu - charge "déductible")x20%). Misy fepetra marobe amin'ireo vola nivaoka ireo. Izany anefa dia tsy tokony ho latsaky ny sanda "Miminimum de perception" mihitsy.(0,5% CA+ 100.000 Ar na 320.000 Ar) Mila mandoa "avance" amin'io koa anefa ny orinasa isaky ny 2 volana,kajiana amin'ny IR teo aloha. Ka ny ambiny tsy ampy sisa no alohan'ny orinasa alohan'io 15 mai N+1. Ohatra : Chiffres d'affaire...10.000.000.000 Ar Charges................-600.000.0000 Ar Charges non déductibles..+10.000.000 Ar (Charges tsy mahafeno fepetra) Résultat fiscal.........410.000.000 Ar (CA-charge+Charges non déductibles) IR minimum...............50.100.000 Ar (CAx0,5% 100.000Ar) IR.......................82.000.000 Ar (410.000.000 Ar x 20%) Acompte..................80.000.000 Ar (totalin'ny avance efa naloanao nandritry ny taona tany amin'ny fanjakana) IR à payer................2.000.000 Ar (io no vola alohanao alohan'ny 15 mai N+1) Marihina fa misy ny teboka tsy nampidirina tato amin'ny fanazavana (crédit d'impôt, Déficit antérieur, réduction d'impôt sur investissemment, régime Zone franche, IRCM payé...) fa ireo tena tsara ho fantatra no navoitra. Sources : CGI Madagascar 2018, Guide fiscale 2016 Lojika consulting, aza miasa mafy, miasà amin'ny saina mahiratra.


17 vues0 commentaire

Posts récents

Voir tout
Post: Blog2_Post
bottom of page